kolontsaina

« Festival Rodorodo » Hifamotoana ao Manjakandriana ny Zanak’i Vakiniadiana


  • Alarobia 12 Septambra 2018

Hotanterahina ao amin’ny renivohitry ny distrikan’i Manjakandriana ny 28-30 septambra izao ny andiany voalohany amin’ny « Festival Rodorodo”,

 

 

 

 araka ny fampahafantarana nataon’ireo komity mipikarakara tarihin-dRakotozafy Haja Filoha mpandridra ny hetsika tetsy amin’ny Restaurant GV & IN Andrefanampohijanahary omaly. Fotoana hanehoana ny maha izy azy ny  soatoavina ananan’i Vakiniadiana manontolo satria handray anjara mavitrika ao ireo kaominina 25 mandrafitra ny distrikan’i Manjakandriana, toa an’Ambohitrandriamanitra, Imerikankanjaka, Miadanandriana, Mantasoa, Ambatolaona, Ambatomanga, Andranovao, Sambaina, Manjakandriana,…  Amin’ny maha vavahadin’Imerina azy, dia amin’io no haseho ara-kolontsaina sy amin’ny alalan’ny lalao ara-panatanjahantena maro ny firaisankina sy ny fifankatiavana misy eo amin’ny Zanak’Ivakiniadiana sy mba hisian’ny fifankahalalana bebe kokoa eo amin’ny taranaka ankehitriny, hisian’ny fifanakalozana amin’ny lafiny maro. Hanairana ny hambom-pon’ny tsirairay hitondra ny anjara birikiny sy hamaritra ny paikady iraisana hanafainganana ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy ary koltoraly, ka hampiverina indray ny lazan’iny faritra iny. Miantso sy manentana ny Zanak’i Vakiniadiana tsy ankanavaka na am-pielezana na ny ao an-toerana mba ho avy hiaraka “Hirodorodo” ny Komity mpikarakara. Marihina kosa fa tsy misy loko politika ny hetsika, saingy tsy manosi-bohon-tanana kosa na iza na iza mety ho mpanao politika, zanak’i Vakiniadiana ho avy amin’izay fiaraha-mirodorodo izay.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT