raikitra ny andiany faha-19 amin’ny Festival Mozika Angaredona na AMF,
hetsika lehibe ara-kolontsaina sy ara-java-kanto manana ny lazany eto Madagasikara sy maneran-tany. Ny vohitra manan-tantaran’Ambohimanga Rova no hampiantrano azy amin’ity indray mitoraka manomboka rahampitso 13 septambra hatramin’ny 21 septambra izao ao anatin’ny lohahevitra hoe : « Kolontsaina Mampiray Firenena ». Namafisin’ny mpanakanto Rajery izay isan’ny angady nanana sy vy nahitana ny Angaredona, fa hatramin’ny 2004 nanombohany, tao anatin’ny 19 taona nisesy, tsy nitsahatra nivoy ny resaka kolontsaina, fanabeazana, ary ny fizahantany ny Fesitval Mozika Angaredona. Tsy festival ana namana, hoy izy, fa misy zavatra atolotra sy matotra, mivoy kolontsaina sy fanabeazana satria tsy vitan’ny mpitondra hafatra fotsiny fa mpanabe ny mpanakanto. Amin’izay lafiny zava-kanto izay, dia hanomezana sehatra ireo mpanakanto vao misandrantra manerana ny Nosy, fa hanomezana voninahitra ihany koa ireo efa nitondra avo ny lazan’ny kanto Malagasy sy ny voninahitr’i Madagasikara ka anisan’ny nisaoran-dRajery manokana omaly ry Zokibe Jean Piso, Kaiamba, Rossy,… « Miezaka foana ny Angaredona Music Festival sy ny ekipa hoe : Ahoana ny fomba mba hahafahantsika mametraka tantara, mametreaka lova, fa indrindra fitaratra ho an’ny taranaka aoriana, mazava loatra fa mampiray, mampitambatra ny olona rehetra na dia ny tsy mitovy hevitra aza », hoy hatrany Rajery izay nanipika fa hifarimbona hametraka amin’ny kolontsaina amin’ny toerany satria raha tsy mitambatra tsy hahavita zavatra. Taratry ny firaisam-pirenena noho izany ny Angaredona, ka Festival hafa miisa 4 no maneho ihany koa ny fiarahana sy fiombonana aminy, raha ny navoitra omaly. Ho ambohipihaonan’ny Malagasy na avy aiza na avy aiza noho izany ny eny Ambohimanga Rova izay vohitra ara-pizahantany sy mitahiry vakoka ara-kolontsaina sy ara-tantara teto Madagasikara, ka hetsika ara-kolontsaina samihafa maneho ny maha izy azy an’i Madagasikara no hifanindran-dàlana ao anatin’izany 9 andro hanaovana ny Festival Angaredona izay. Carnaval lehibe no hanokafana azy, arahin’ireo hetsika ara-javakanto sy fifampizarana samihafa, hetsika sy fifanakalozana ara-kolontsaina, ka isan’ny hanome voninahitra izany ny Mpanakato avy atsy La Réunion sy Rodrigue, fampisehoana ataon’ny mpanakanto izay saika ahitana ny avy amin’ny lafivalon’ny nosy, lalao samihafa toy ny tongon-kazo, fitaingenana sarety, vitsilihy,… Mpanakanto maro be no mandray anjara raha tsy hilaza afatsy ny tarika Rossy, Theo Rakotovao, Farakely, Njara Marcel, LJO, Bolo, Raouto, Telofangady, Vaovy, Feokanto, Kougar, Robin Kafirah Gasy, Lowis, Tambours Gasy, Kaiamba, Jean Piso, Spesilista, Akon’i Mania, Jose Besakoa, Rajery-Tahia Carine,… Amin’ny maha mifamatotra amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany azy, dia hampiavaka ity andiany ity fahafahana milasy na « camping » eny an-toerana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.