Festival Marovatana

Tanora tsy hirona amin’ny zava-mahadomelina no tanjona


  • Zoma 12 Jolay 2024

Hanomboka amin’ity anio ity amin’ny alalan’ny hetsika Faradoboka

cBakalorea eny amin’ny tranom-pokonolona ny hetsika na Festival Marovatana. Izy io dia hetsika iray noforonin'i Souleman Mpikabary, izay mpikabary no sady mpanabe, hanohanana ireo tanora anatin'ny distrikan’Ambohidratrimo, hoy ny fanazavana. Miompana amin'ny fanabeazana, kolontsaina sy fanatanjahantena izany. Manomboka eo amin'ny fiomanana amin'ny Bakalorea ary hitohy anatin'ny fialan-tsasatra. Tanjona ny hanentanana ny tanora mba tsy hirona amin'ny zavamahadomelina. Hanampiana azy ireo anaty fiofanana mba hampivoatra ny talentany hitondra azy ireo mankany amin'ny fivoarana. Anaty hetsika no hanaovana ny fanazavan-tsaina ireo mpianatra ahafahany mamantatra ny lalan-kasa mety aminy ao aoriana na «orientation pédagogique» ho an'ireo afaka Bakalorea 2024 izay hiatrika ny fianarana eny amin'ny oniversite. Mila omanina ireo tanora hoavin'ny firenena, hoy hatrany i Souleman Mpikabary. Ny 17 sy 18 aogositra indray moa no hitohy ny hetsika aorian’izay ka hetsika ara-panatanjahantena sy kolontsaina samihafa no handravaka izany toy ny tsipy kanetibe, Basikety sy volley ifaninanan’ny isaky ny kaominina, angano tononkalo, kabary, tantara fanentanana isan-karazany. Ny 31 aogositra sy 1 septambra kosa no hanampy izany ny lalaon-tsaina toy ny Fanorona sy hetsika mikasika fanohizana fianarana na «Salon des étudiants» sy«orientation pédagogique», araka ny efa nambara teo, miaraka amin’ny fizarana mari-pankasitrahana samihafa, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT