FESTIVAL MAKUA 2025

Tsy misy resa-politika, hoy Denise


  • Alakamisy 05 Jona 2025

Tsy misy resa-politika na kely aza ny festival Makua hoy ny mpanankato Denise omaly

raha naneho ny alahelony mikasika ny antony nanafoanana ity hetsika ity ny tenany. Efa tamin'ny andron'ny Ben'ny tanana teo aloha hoy izy no nahazoana fifanarahana fa 5 taona no hanaovana ny festival Makua ao Toamasina.Efa nekenay ny lamina fa tsy azo hanaovana hetsika intsony ny toerana nanaovana izany teo aloha ary niandry fifampidinihina mivantana izahay hoe : aiza indray no toerana hanaovana izany. Efa nanomboka tamin'ny volana Janoary moa ny mpikarakara no nandeha tao amin'ny kaominina ambonivohitr'i Toamasina mikasika an'io festival io fa dia tsy voarain'ny ben'ny tanana ankehitriny, mihitsy, noho ny fahasahiranana tamin'ny fametrahana azy tamin'ny toerany,hono,. Misy taratasy fangatahana audience efa napetraka tamin''ny tompon'andraikitra koa raha ny fantatra rehefa tsy nandray azy ireo mihitsy ny ben'ny tanana....Malahelo araka izany izy ireo noho ny tsy fisian'ny fifampiresahina mivantana. Malahelo ny mpikarakara raha toa ka tena tsy voarain'ny Atoa Ben'ny Tanana mihitsy ny fangatahana fihaonana efa nataon'izy ireo. Ny fanomanana ny Festival hoy ny mpanankato Denise dia tena sarotra ka mila fotoana efa maty paika ny hanomanana izany fa tsy hoe : fotoana fohy sy hamehana. Notsiahiviny hatrany moa fa tsy misy ny festival Makua vokatr'izany koa ialany tsiny amin'ireo mpankafy.
Pati
Légende : Ny mpanankato Denise anisan'ireo mpikarakara ny festival Makua !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT