Omaly alakamisy 17 mey no nampafantarina tetsy amin’ny Kudeta Anosy ny Festival libertalia andiany fahadimy izay hotontosaina ny 25 hatramin’ny 27 mey ho avy izao.
Teto Antananarivo hatrany no notanterahina azy io nandritra izay andiany efatra izay. Amin’ity andiany fahadimy ity kosa dia hatao any Nosy Be eny amin’ny torapasika Madirokely. Antony hanaovana azy any ny mba hanintona ireo mpizahatany satria hisy ireo vahiny maro avy any ivelany ho avy. Fa maro ihany koa ny fitarainana nataon’ireo mpanakanto nasaina avy any andafy ny amin’ny tsy fandriampahalemana misy eto Antananarivo ny amin’ny hariva fanatanterahana ny seho. Araka izany dia ny alarobia 23 mey amin’ny 12 antoandro no hiainga eo amin’ny Alliance Française Andavamamba ny fiara rehetra izay andeha hanatrika io festival io ary 190 000 Ariary ny saran-dalana mandroso sy miverina ho an’ireo handeha amin’ny fiara iraisana. Momba ny fandaharam-potoana kosa dia misy ny sehatra handraisan’ireo mpanakanto rehetra anjara. Anisan’izany, ohatra, ny revy akostika na manome vahana kokoa ny gitara izay hotanterahana ao amin’ny hotely Sarimanok ny sabotsy 26 mey manomboka amin’ny 7 ora hariva. Handray anjara amin’ity festival ity ny mpanakanto avy eto an-toerana tahaka an’iJaojoby, Edgard Ravahatra, Shyn, Mafonja. Hisy ihany koa anefa ireo mpanakanto vahiny avy any ivelany toa an-dry Chacha avy any Sina, Shanti D Paris, MorganeJi La Réunion. Marihina fa ity libertalia festival ity dia tsy natao hitadiavana vola satria dia ho maimaimpoana avokoa ny ankabeazan’ireo seho rehetra hatao. Tanjona ny hampahafantarana hatrany an’ireo vahiny ny fananan’i Madagasikara mpanakanto manao sy mahay mozika maro isan-karazany. Araka izany dia afaka misokatra kokoa amin’ny tsena iraisam-pirenena ireo mpanakanto Malagasy satria maro be ireo mpamokatra avy any ivelany ho tonga any.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.