kolontsaina

Festival interfilm andiany faha-34 Voafantina hianatra ao Berlin i Koloina RFamenontsoaakotoarisoa


  • Alakamisy 29 Novambra 2018

Voafantina hianatra ao amin’ny sekoly lehibe “ art-on-the-run filmschool” ao Berlin i Koloina Famenontsoa Rakotoarisoa, tanora Malagasy mpilalao sarimihetsika nandray anjara tamin’ilay festival interfilm andiany faha-34 notanterahina tany Berlin ny 20 ka hatramin’ny 25 novambra lasa teo.

 

 

 

 

 Am-bolana no hiatrehany ny fiofanana, fampianarana amin’ny fiteny anglisy arahin’ny fampiharana avy hatrany aorian’ny teoria. Hiasa avy hatrany any amin’ireo orinasa mpikirakira ny resaka sarimihetsika ao Berlin ihany koa ny tenany. Tafiditra ao anatin’ny fiofanana hatrehin’i Koloina  Famenontsoa Rakotoarisoa moa ny famokarana horonan-tsarimihetsika, ny fakana sary ankoatra ny fandrafetana izany hanjary ho sary miaina avy hatrany. Efa sivy taona izao no nisian’ny fiaraha-miasa teo amin’i Madagasikara sy Alemana amin’ny fampiroboroboana ny resaka kolontsaina tahaka izao. Ho an’Atoa Heinz Hermanns, talen’ny interfilm dia nambarany fa vonona hatrany ny tenany hanohana olona manan-talenta tahaka izao isan-taona, hotronin’ireo  mpiara-miombon’antoka aminy toy ny minisitera federalin’i Alemana sy ny raharaham-bahiny. Ny mba hahafahan’ireo tanora Malagasy mivelatra sy hahalalany ny fandrosoan’ny filalaovana sary mihetsika any Eoropa sy ny manodidina no tanjona izay marihina fa tena tombony lehibe tokoa.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT