FESTIVAL DEUX ROUES

Hampihenana ny tahan’ny loza ateraky ny moto


  • Talata 23 Jolay 2024

Tafakatra 76 isa sahady tamin’ity volana Jolay ity ny loza vokatry ny fitaingenana

kodiaran-droa na moto teto amintsika raha araka ny tatitra azo teo anivon’ny sampandraharaha misahana izany ka miisa 2 ireo olona namoy ny ainy. Tsy maintsy hitadiavam-bahaolana izany raha araka ny fantatra hampihenana io salan’isa izay tena mihoampampana loatra io. Anisan’ny antony hanatanterahana ny Festival deux roues izany. Ny datin’ny 03 ka hatramin’ny 04 Aogositra ho avy izao no hanatontosana izany eny amin’ny tokontany malalaky ny efitrano fandraisana fivoriana iraisam-pirenena eny Ivato. Hiainga etsy amin’ny Maki Andohatapenaka ny hetsika, handalo eny Ankazomanga sy Ivandry, Tsarasaotra… Arahin’ny fanentanana ireo mpitondra moto mba handeha mora sy hanaja fepetra rehetra izany ka anisan’ireny ny fanaovana aroloha.
Pati
Legende : Ny fandehanana mafy tahaka izao matetika no mampidi-doza ireo mpitondra moto !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT