kolontsaina

Festival des jardins 2 Higohana ny hakanton’ny voninkazo


  • Zoma 30 Oktobra 2020

Nosokafana tamim-pomba ôfisialy omaly etsy amin’ny Alliance Française Andavamamba ilay hetsika “Festival des jardins” andiany faharoa karakarain’izy ireo, hifarana amin’ny Sabotsy.

 

 

Ity no hetsika voalohany notontosainy sy nanasany olona taorian’ny fihibohana raha araka ny fanazavan-dRaharinosy Monique, lehiben’ny filan-kevi-pitantanana eo anivon’ny AFT Andavamamba. Na izany aza dia tena fahombiazana tanteraka no azon’izy ireo. Am-polony maro mantsy ireo mpandray anjara tonga izay ahitana ireo mpikarakara voninkazo sy zaridaina matihanina avokoa. Karazam-boninkazo an-jatony kosa no harantin’izy ireo sy hamidiny ao an-toerana. Manomboka amin’ny 1.000 Ar ka hatramin’ny 300.000 Ar ny vidiny miankina amin’ny karazany sy ny habeny ary ny hatsarany. Toraka izany koa ireo voankazo baonsai ho an’ireo izay tia sy mankafy azy ireny. Miaraka amin’ny fitoeram-boninkazo mahafinaritra sy ny kifafa vita amin’ny plastika famafana tokontany sy zaridaina izany raha toraka izany ihany koa ireo zezika fanao amin’ny voninkazo. Hampiavaka ny hetsika moa ny fisian’ny fampianarana ny tanora momba ny écosysteme hahafahantsika rehetra migoka ny tombontsoa azo avy amin’ny fiarovana sy fikajiana ny tontolo iainana. Olona mihoatra ny 5.000 isa no andrasana ho avy hitsidika ny hetsika raha 1.000 Ar kosa ny vidim-pidirana.

Pati

 Legende : Ny lehiben’ny filan-kevi-pitantanana eo anivon’ny AFT Andavamamba Raharinosy Monique

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT