Afaka 9 andro, izany hoe ny 15 hatramin’ny 23 jolay izao dia ho raikitra indray ny fetiben’ny trozona na ny «Festival des baleines»
izay toy ny mahazatra moa dia ho tontosaina ao Nosy Boraha na Sainte Marie. Tanjona amin’ny hetsika, hoy ny fanazavan’ireo mpikarakara azy ity tetsy amin’ny Campus Telma Andraharo omaly, ny fampirisihana ny malagasy hiaro ny tontolo iainana. Efa tonga manao ny fifindra-moniny ao amin’ny morontsirak’i Sainte Marie, hoy ny fampitam-baovao amin’izao fotoana izao ireo trozona. Ankoatran’ny fankafizana ny hankaton’ireto hazandrano ireto dia hisy koa ny hetsika ara-panatanjahantena isan-karazany toy ny hazakazaka an-dakan-jejo na «Course des pirogues», ny kitra anaty fasika na «Beach soccer», ny baolina lavalava anaty fasika na «Beach Rugby», ny tsipy kanetibe, ny fifaninanana golf. Handalo eto Antananarivo ary hiatrika manontolo ny hetsika ao Nosy Boraha ilay mpanentana fahiny ilay lalao amin’ny fahitalavitra frantsay France 3 malaza «Question pour un champion», Julien Lepers, izay ray mpiahy ity hetsika ity, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.