Azo trandrahana tsara amin’ny sehatry ny fizahantany ny lalam-pirenena fahafito,
raha ny navoitra nandritra ny Festival de la RN 7 ny 15-17 aogositra teo. Isanan’ny nanasongadina an’io ny Fiadidian’ny Faritra Vakinankaratra, izay naneho fa ahitana ny tolotra rehetra ilaina amin’izany ireo tanana manamorona iny lalampirenena iny na ny sakafo, asa tanana, trano fandraisam-bahiny ary ireo toerana azo tsidihina. Raha ny ao amin’ny faritra vakinakaratra manokana dia misy an’i Tritriva , Andraikiba, Manandona sy ny maro hafa izay tena azo trandrahana tsara. Ho famelomana izany indrindra no antony nikarakaran’ny Ofisim-paritra sy ny fitaleavam-paritry ny fizahantany ary ny firahamiasa tamin’ny Ong Tolo-tanana tamin’ny fikarakarana ity andiany voalohany amin’ny Festival de la RN7 ity. Fahombiazana tanteraka no azo tamin’izany hoy ireo mpikarakara satria dia feno avokoa ny trano fandraisam-bahiny tao Antsirabe nandritra ireo fotoana ireo. Isan’izany ny Tao amin’ny Imperial Hotel izay nandraisana ireo vahiny manankaja sy ny mpanao gazety ny Hotel de Réve kosa no nanaovana ny lanonam-panokafana. Maro harena i Madagasikara ary isan’izany ny faritra Vakinakaratra ka fotoana nahafahan’ireo tantsaha sy ny mpanao asatanana naneho izany io fotoana io, izay nandraisan’ny distrika rehetra anjara. Ny distrikan’ Antanifotsy no tena nahatonga vokatra be indrindra. Nahitana ihany koa mivoatra ny Asa tanana tao Ambatolampy. Isan’ny naseho tao ny fitaovana fanaovana fanatanjahantena novokarin’izy ireo, efa misy orinasa fanamboarana moterana fiara ihany koa ao Ambatolampy ary efa manana fiaraha miasa amina orinasa vahiny amin’izao fotoana izao. Akoatra izany dia nisongadiana ihany koa ny kolontsaina ka toerana maro no nahitana fampisehoana , cabaret ary namaranana ity hetsika ity ny Yoga izay natao tao amin’ny hotel de Thermes. Teo amin’ny fanatanjahantena indray dia fotoana lehibe nentina namelomana indray ny hazakazan-tsoavaly izay isan’ny tena nampalaza an’i Vakinakaratra sy ny tananan’Antsirabe ihany koa iny festival de la RN 7 iny. Azo atao ny mampandrosoa ny firenena amin’ny alalan’ny fizahantany, hoy ny governoran’i Vakinankaratra, raha tsy handeha halavitra isika fa ao amin’ireo nosy manodidina antsika toy ny ao Maldives dia miantoka ny 95 %amin’ny harin-kareny ny fizahantany. Maro rahateo ny malagasy manampahaizana amin’io sehatra io.
Solotiana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.