Festival de la Parole 2025

Hanome sehatra itenenan’ny tanora eto Antananarivo !


  • Talata 23 Septambra 2025

Hampiantrano ny andiany faharoa amin’ny

Festival de la Parole » i Antananarivo ny 12-14 novambra 2025. Hetsika tokana manome sehatra ho an’ny tanora malagasy haneho hevitra amin’ny alalan’ny adihevitra, atrikasa ary fifaninanana amin’ny fahaizana mandaha-teny na « concours d’art oratoire ». Nahomby ny tamin’ny taona 2024, ka tanjona lehibe kokoa no kendrena ho an’ny 2025: fanomezana sehatra ahafahan’ny tanora maneho malalaka ny heviny, miady hevitra momba ny olana manodidina azy ary manamafy ny fahaizany ho olom-pirenena mandray andraikitra. Ny Actio Volontarium Operarius (AVO) miaraka amin’ny Fakiolite momba ny Lalàna sy Siansa Politika (FDSP) ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo no mikarakara ny hetsika mandritra io telo andro io, ahitana ny mpianatra, mpampianatra mpikaroka, mpanao gazety, tompon’andraikitra amin’ny rafitra ara-panjakana, fikambanan’ny tanora ary ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny fanabeazana sy kolontsaina. Handrafitra ny fotoana ny adihevitra an-databatra, lmasterclasses ary atrikasa ara-pampiharana amin’ny lohahevitra manan-danja amin’izao fotoana izao: fahalalahana maneho hevitra amin’ny taonjato faha-21, zo hahazo fanabeazana eto Madagasikara, fandahara-teny ara-piarovana eny anivon’ny fitsarana na « art de plaidoyer », ary fifandraisana amin’ny maha-olom-pirenena. Hetsika ara-javakanto sy fifaninanana amin’ny fitenenana no hanamafy izany, izay hanasongadina ny fahaiza-manao sy ny famoronana avy amin’ireo mpifaninana tonga amin’ny dingana farany. « Mihoatra lavitra noho ny fifaninanana amin’ny kabary ny Festival de la Parole. Sehatra iray hihaonana, hisainana ary hirosoana amin’ny asa ho an’ny tanora tompon’andraikitra », hoy i Finaritra Andrianamelasoa, mpikarakara ny hetsika. Misokatra ho an’ny daholobe ny hetsika. Efa misokatra amin’izao fotoana izao ny fisoratana anarana amin’ny fifaninanana amin’ny « concours de plaidoyer », ary azo jerena ao amin’ny pejy ofisialin’ny Festival de la Parole 2025 ny antsipiriany rehetra.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT