kolontsaina

« Festifoire RN9 » andiany faha-2 Hotontosaina any Ankililaoka Toliara II


  • Alarobia 29 Aogositra 2018

Hanatontosa ny andiany faha-2 amin’ny hetsika ara-kolontsaina sy ara-toekarena miaraka,

 

 « Festifoire RN9 » any Ankililaoka Toliara II ny fikambanana « Fiherena Manombo Ranozaza (FIMARA)» tarihin’i Maherivinta Famahara Alexandre « Mamada », ny 31 aogositra sy 01 septambra 2018 izao. Ho tosika ara-pampandrosoana ho an’ireo kaominina rehetra manamorona io lalam-pirenena io no tanjon’ny hetsika, araka ny fanazavana azo. « Fotoana tokony hampisongadinana ireo kaominina rehetra any izao fahavitan’ny asa fanarenana iny lalana iny izao ka hararaotina ny sehatra mampiavaka ny faritra Masikoro », hoy ny birao mpitarika ny fikambanana, omaly tetsy 67 ha. Hiaraha-miasa amin’ny mpandraharaha maro ny hetsika hikendrena ny fampiroboroboana ny famokarana sy ny fanondranana mbamin’ny fanodinana ny vokatry ny tantsaha any an-toerana. Tsy hianona amin’ny ara-toekarena ihany ny hetsiky ny Fimara amin’ity Festifoire andiany faha-2 ity fa eo koa ny kanto vokatra any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana. Mpanakanto kalaza am-polony hotronin’ireo vao misondrotra any an-toerana no hanafana ireo roa andro hanatanterahana ny hetsika ireo amin’ny gadona mampiavaka ny Faritra. Marihana fa tany Milegnaky ny andiany voalohany no natao.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT