kolontsaina

Feno 50 taona i Lilie Lanonana goavana no hatao etsy amin’ny CC ESCA


  • Zoma 15 Oktobra 2021

Elaela no tsy nisy fampisehoana anaty efitrano raha resaka Hiran’ny Omaly sy ny atao hoe Kalon’ny Fahiny no resaka.

Hisantatra izany ny rindran-kira lehibe izay ho tanterahana etsy amin’ny CC ESCA Antanimena ny alahady 17 oktobra amin’ny 3 ora tolakandro ho fanamarihana ny faha 50 taonan’i Lilie, ilay mpanankato vehivavy diso fantatry ny rehetra amin’ny fananany feo avo sy ny fahaizany manokana mamelona ny sangan’asan’ireo mpihira vehivavy nalaza fahiny toa an’i Jeannette, Celéstine, Fara, Henriette, O’Suza sy ny hafa. Isan’ny mahavariana amin’ny talentan’ity mpanankanto ity, ny fahaizany maka tahaka ny feon’ny tompon’ireo hira hindraminy sy ny fahaizany mamelona ireo hiran’ny omaly izay. Hiavaka ity fampisehoana ity, raha ny fanazavana, satria ho vavy tokana i Lilie amin’io ary ireo mpanankanto lehilahy efa zatra niaraka taminy nandritry ny taona maro no hampiara-peo aminy. Isany ry Salomon, Gothlieb , Rija Ramanantoanina, Luc ,Mahery. Zozoh kosa no hitarika ireo mpitendry hanaraka an’i Lilie amin’io lanonana goavana io, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT