kolontsaina

Fenerive-Est


  • Alarobia 18 Novambra 2020

Nisy nanimba sahady ny tsangambaton’i Didier Fenerive

 

 

 

Nisy nanimba sahady ny tsangam-baton’i Didier Fenerive izay natsangana any amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana ho fahatsiarovana azy. Ny tananny mihitsy no noterena notapahiny ary saika nongotaka raha araka ny fanazavan’ny fitaleavam-paritry ny kolontsaina sy ny serasera any an-toerana. Ny tsy fantatr’ilay olona nanao izany anefa hoy izy dia misy vy mihazona ity sary vongana ity fa tsy mipetra-potsiny ka tsy vitany hatramin’ny farany ilay zavatra saika nataony. Saika nalahelo tamin’ity fihetsika nataona olon-tsy fantatra ity avokoa moa ireo mponina ao Fenoarivo Atsinanana nahita izany. Sady haingon-tanana mantsy io tsangambato io no hahatsiarovana ity mpanankato malaza mpanjakan’ny gadona kaiamba ity. Omaly ihany moa dia efa namboarina ity tsangam-baton’i Didier Fenerive ity ary fantatra fa hisy ny fanaraha-maso izany matetika.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT