Nangataka ny hamerenana ny hasin’ny fasana eny amin’ny faritr’i Mangatokana ny komitim-pokontanin’Antanimalandy sy ny Sojabe ao an-toerana ary ireo olona manana Havana milevina eny amin’ity fasana ity.
Misy amin’ireo fasana no tototry ny fako efa zary fambolen’ny olona. Nisy olona nanoron-trano ihany koa. Nangataka ny lehiben’ny fokontanin’Antanimalandy mba handraisan’ny kaominina fanapahan-kevitra faran’izay haingana hanesorana ireo olona mibodo tany sy nanorin-trano eny amin’ity fasana ity. Tsy eto ihany no fasana eto Mahajanga, hoy ity lehiben’ny fokontany ity, fa misy fasan’ny Karana koa mifanitsy amin’ny tranoben’ny kolontsaina. Misy fasam-bazaha any amin’ny “Caveau”. Any Mahavoky koa misy fasan’ny Karana saingy iza no manimbazimba ireny? Ny vahiny izany, hoy izy, hajaintsika fa ny antsika tsy voahaja. Antony hanaovana fanairana izao hoe voazimbazimba ny fasana Malagasy. Mbola tsy namoaka naoty ny kaominina hoe samia manorin-trano eny amin’ny fasana na tsy azo andevenana intsony i Manjakatokana. Anisan’ny fasana manan-tantara eto Mahajanga, hoy ireo sojabe, ity fasan’i Mangatokana ity, ka miantso ny minisiteran’ny kolontsaina mba hanandratra ity toerana ity ho vakoka. Misy amin’ireo fianakavian’ny maty sasany anefa efa tsy mahita ny razan’ny havany ao intsony, hoy ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Legende: Ny Sojabe sy sefo fokontany ao an-toerana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.