kolontsaina

Faritra ivelan’ny tanàn-dehibe Hampilalaovin’ny Métatron production sarimihetsika


  • Alakamisy 11 Oktobra 2018

Raikitra nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny tetikasa famokarana raki-tsary sy raki-peo amin’ny toerana mivoaka ny tanàn-dehibe napetraky ny Métatron Production ao Mahitsy.

 

 Afaka hiroso amin’ny famokarana sarimihetsika avy hatrany ity orinasa ity ato ho ato, satria voafantina tao amin’ny tranompokonolona Mahitsy tamin’ny alahady 7 sy alatsinainy 8 oktobra teo ireo ho mpilalao hiara-kiasa aminy ka nandraisana sokajin-taona rehetra, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny orinasa, Maminiaina Johnny Rakotondranaly. Nomarihiny koa ny nampirisihana manokana ireo mpisehatra vao hofolahana, handray anjara tamin’ny fifantenana ary nisy mpanakanto amin’ny hira madinika koa nofidiana ho mpilalao ho fiatrehana ny mety hisian’ny filana ara-mozika ao anatin’ny sanganasa vokarina. Hahaforona asa maromaro ao amin’ny faritra misy azy, noho izany, ity Métatron production ity, satria homena fiofanana amin’ny lafiny maro ireo voafantina izay ho mpilalao raikitra ao amin’ny trano famokarana. Misokatra amin’ny fiaraha-miasa marolafy ary misandrahaka amin’ny asa isan-karazany izy ity mba  hampananana antoka ara-pivelomana ireo ao anatiny.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT