kolontsaina

Faribolan’ny mpandalina ny hary Vonona hiara-kiasa amin’ireo kandida 36


  • Talata 09 Oktobra 2018

Nampahafantarina omaly alatsinainy 8 oktobra tetsy amin’ny Bistrot Antsahavola ny boky mirakitra ireo fehin-kevitra tapaka tao anatin’ilay loabary an-dasy nijeren-dry zareo avy eo anivon’ny faribolan’ny mpandalina ny hary eto Madagasikara (CREM)

 

 

 sy ireo nasainy rehetra tao amin’ny Carlton Anosy momba ny tetika ahafaha-manarina ny toekarena eto Madagasikara volana maro lasa izay. Iaraha-mahalala, hoy izy ireo fa tsy nisy fampielezan-kevitra nifototra tamin’ny fotokevitra hatramin’izay teto Madagasikara ary raha nisy aza dia tsy ny rehetra no nahazo azy. Fotoana hanovana izany izao ary tsy hainay ny hijery ny firenena hilona ao anatin’ny kolikoly sy ny fahalovana na koa fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Antony namoahanay izao fehin-kevitra izao mba hahafahan’ireo kandida 36 isa mandinika ny tokony hataony mikasika izay fahafaha-manarina ny toekaren’i Madagasikara izay. Vahaolana fototra voalaza ao anatin’ny boky, hoy izy ireo, ny hoe mila fahaleovantena ara-bola isika mba tsy hianteherana lava sy hitrosana amin’ny firenena matanjaka. Ny fampiasana ireo fananantsika ihany no ahatongavana amin’izany mba ahazoana mampitombo ny harinkarena faobe. Mirazotra amin’io ny fananana banky manokana ahafahana manao fandraharahana. Mikasika ny resaka toerana ara-toekarena voatokana (ZES) dia tokony hatao mazava ny zon’ny olom-pirenena amin’ny fahafahany mipetraka amin’ny tany ary raha amin’io endriny misy eto Madagasikara io dia tsy hitondra fampandrosoana mihitsy. Ankoatr’izay dia nanamafy izy ireo fa tena ilaina ny fidirana amin’ny fampiroboroboana ny indostria hampitomboana ny famokarana sy ny tsena anatiny, indrindra ny sehatra fanondranana.

J. Mirija/ Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT