kolontsaina

Faribolana fanilo Hankalaza ny kolontsaim-pirenena


  • Alatsinainy 10 Jolay 2017

Tao anatin’ny 1 volana mahery kely izao no nisian’ny hetsika “Dinika hariva” izay karakarain’ny fikambanana ara-kolontsaina “Faribolana fanilo” etsy amin’ny Trass Tsiadana isaky ny alarobia voalohan’ny volana.

 Tanjona ao anatin’ny hetsika, raha ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana, Hary Razafindrazaka, ny hankalaza ny maha zava-dehibe ny kolontsaim-pirenentsika ary tsy hijanona ao Tsiadana ihany ny hetsika fa hitohy isam-paritra ary heverina ho hatrany am-pitan-dranomasina mihitsy. Lohahevitra roa no efa novelabelarina tao anatin’ny dinika hariva hatreto dia ny hoe “Ny teny Malagasy, fanoitry ny fampandrosoana” izay novelabelarin’i Nasolo Valiavo na Van’f, izay mpanao gazety sy mpanao famakafakana. Ny alarobia teo kosa, dia ny mpanao famakafakana, Tsilavina Ralaindimby, no namelabelatra ny hoe “Gasy manja ka sahy” ka nampahafantariny tamin’izany ireo kalaza iraisam-pirenena eo amin’ny sehatry ny zava-kanto toa an-dry Mihary Seheno, izay mpamokatra lamaody, sy ry Jhon Rafa, mpanao hosodoko sy sokitra ary mpitendry gitara nivoaka tany amin’ny kaonservatoiran’i Beau art tany Frantsa. Ny alarobia voalohan’ny volana aogositra moa dia lohahevitra hafa indray no hodinihana eny an-toerana manomboka amin’ny 7 ora sasany hariva.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT