kolontsaina

Faran’ny herinandro Nanjakan`ny mozika rock


  • Alatsinainy 26 Martsa 2018

Hetsika in-droa miantoana tao anatin’ny faran’ny herinandro no natolotry ny tarika Ambondrona tetsy Antsahamanitra ny sabotsy sy alahady lasa teo.

Afa-po ny mpikarakara ny hetsika. Babo hatrany ireo mpankafy ary nahitana taratra ny fitomboan’ireo mpankafy ny tarika Ambondrona ny seho takariva sy ny fampisehoana nataon-dry Rakix sy ny tariny. Tsy nifidy sokajy taona intsony ireo mpankafy fa tao avokoa na ireo zokinjokiny na ireo ankizy sy tanora. Tamin’ireo seho roa ireo, niangalian’ny tarika Ambondrona ireo hira rehetra ankafizin’ny mpankafy, ka tao anatin’izany ireo hira efa taloha toy ny « Ampy ahy », « Leo », « Havaoziko ny eny »… ka hatramin’ireo hira taty aoriana toy ny « Tiako hitoetra ». Ity tarika ity rahateo no mpanakanto mahazo olona betsaka indrindra amin`ireo tarika miaka-tsehatra ankoatra an`i Mahaleo. Teny amin’ny Arena alarobia indray dia hipoka an-dry zalahy mpanao ``bottes santiague`` sy ``blouson cuir`` mainty ny efitrano ny alahady lasa teo ary nanjaka ny ``riff`` sy ny ``trash``. Fahombiazana no azo ilazana ny fampisehoana natolotry ny tarika Mage 4 ary samy nahazo ny anjarany ny tsirairay satria sady niverenan'ny ekipan'i Ken ny tany amin'ny 26 taona lasa no nohirainy ihany koa ireo vazo vaovao novokarina toy ny “sahy minia”... Tsara ny manamarika fa tsy voatery manao bòty “santiague” sy “blouson cuir” mainty akory vao azo antsoina hoe mpirevy mavesatra fa miankina amin`ny aigam-panahy io.


Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT