kolontsaina

Faramalala Ratsaratoetra – mpahaitantara “Miteraka fitiavan-tanindrazana ny fifehezana tantara”


  • Zoma 31 Martsa 2023

Nisy fahafatesan’olona maro sy fahasimbana ara-materialy ny 29 martsa 1947, hoy ny mpahaitantara, Faramalala Ratsaratoetra. Raha ny tombana na “thèse” nisy, hoy izy, dia maromaro.

Ao ny hoe andraikitra fenon’ny MDRM sy ny solombavambahoaka malagasy tamin’izany io. Ao koa ny hoe mety zavatra nomanin’ny mpanjanaka io handotoana ny MDRM sy mpitolona tia tanindrazana. Ny fahatelo dia hoe tena tolo-panafahana sy tolom-bahoaka io. Eo izany isika no mila mijery hoe inona marina moa ilay 29 martsa? Amiko dia ny taona 1967 no nanapa-kevitra ny fitondrana malagasy hoe Aleo amin’izay ho tsarovana ilay izy satria nisy olona maro maty. Rariny sy hitsiny raha ho tsaroana ireny olona ireny sy ny zavatra simba tamin’izany fotoana izany. Zava-dehibe ny tolo-panafahana satria fahatsiarovana ny hetsika fanehoana fitiavan-tanindrazana nasehon’ireo zoky raiamandreny nanoloana ny fitondran’ireo mpanjanaka. Fakana lesona sy fanoitra enti-mamerina indray ny ambom-pom-pirenena sy fitiavan-tanindrazana io. Mba hahatsapan’ny taranaka aty aoriana izany dia mila velomina indray tantaram-pirenena amin’ny alalan’ny fanomezana lanja izany. Tokony atao anaty fandaharam-pianarana sy mila ampahafantarina bebe kokoa amin’ny antsipirihany ny 29 martsa. Tokony ampiasaina ny haino vaky jery amin’ny resaka fanentanana sy fanabeazana ny tanora na any amin’ny garabola mihitsy aza hoe inona ilay 29 martsa dia nitondra inona tamintsika ka inona no tokony ataontsika? Tokony atao maharitra ny fanamarihana azy. Nisy finiavana teo amin’ireo zokintsika fa nisy fikotrehana nataon’ny mpanjanaka koa tsy haha lavorary iny tolom-panafahana iny. Harem-pirenena ny tantara. Fanoitra ho an’ny fampandrosoana koa satria ny fifehezana azy dia miteraka fitiavan-tanindrazana ho an’ny olompirenena. Rehefa tia tanindrazana ianao dia tia ny tenin-drazanao. Lasa manohitra ho azy ny kolikoly. Lasa mandala ny fahamarinana sy fahendrena malagasy ho azy. Lasa miverina an-doharano isika. Mandala ny soatoavintsika fa tsy hoe akory soatoavina vahiny no fanahy iniana apetraka eto dia maty ho azy ilay fifampitsimbinana, fifanajana, fifankatiavana, fihavanana izay namelom-bolo foana ny fiarahamonina malagasy. Tsy ny kolontsaina vahiny mihitsy fa malagasy no tokony iainana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT