kolontsaina

Faramalala Ratsaratoetra, mpahaitantara “Mila ampanjakaina ny fifampiresahana”


  • Talata 14 Desambra 2021

Miseho amin’ny endrika maro ny fifampiresahana ho antsika malagasy dia ny teny ierana, ny fifampidinihana sy ny dinika ambany tafon-trano ary ny fifanajana ara-kevitra,

 hoy ny mpahaitantara, Faramalala Ratsaratoetra. Avy amin’izany no hisehoan’ny fifamenoana ny lehilahy sy ny vehivavy satria samy manana ny fomba fahitana sy ny fanantanterahana azy, hoy izy. Izay no ilana ny fifampihainoana . Tsy afaka hampandroso firenena isika raha vao manosi-bohon-tanana ny vehivavy, hoy izy, naneho ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena ankehitriny. Mila miara-dalana ny lehilahy sy ny vehivavy dia miroso any amin’ny fampandrosoana isika. Any amin’ny seha-piainana rehetra dia tokony omen-tanana sy omen-danja izy ireo mba ho lasa tomponandraikitra ahafahany manampy ny vehivavy toa azy koa avy eo. Miezaka izy avy eo hananany anjara toerana amin’ny sehatra maro eto amin’ny firenena. Fotoana izao tokony hanomezana lanja ny vehivavy ka hahafahany misehatra any amin’ny rafi-panjakana sy fitantanana isan’ambaratongany. Tato anatin’ny taona vitsy dia efa nisy ny ezaka kanefa rariny raha tokony ampitomboana hatrany ny tahan’ny vehivavy amin’ny rafi-panjakana maro eto amin’ny firenena. Iaraha-mahalala fa maro an’isa ny vehivavy eto amin’ny firenena, hoy hatrany ny tenany. Mikasika ny lafiny fampihavanam-pirenena kosa, hoy izy, amin’ny maha vehivavy mpisehatra amin’izany ny tenany, dia mila mifampiresaka isika. Hananantsika ilay kolontsainan’ny fifampiresahana sy ny fifampierana ary ny fihavanana. Soatoavina maha-malagasy ny malagasy ireo. Tokony hahasaro-piaro antsika malagasy. Misy Olobe eto ka mila ampanjakaina ny fifampiresahana, hoy hatrany ny tenany, fa tsy voatery ho tonga any amin’ny korontana foana isika.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT