Fara ratsisetraina

«Mahavariana ny mahita ireo tanora,


  • Alatsinainy 09 Febroary 2026

mpanakanto… tsy menatra intsony…»

Tsy misaraka amin’ny tanora ny fanatanjahantena, hoy ny mpisehatra ara-tsosialy no sady mpanabe izay mandray anjara amin’ny fitsaràna fifaninanana endrika amam-bika sy fitondràn-tena amin’ilay hetsika Kitra Mahe-ry Futsal ihany koa ny 22 febroary izao etsy Mahamasina, Fara Ratsisetraina. Isan’ny hitsaràna ireo tanora anatin’ity fifaninanana ampiarahana amina kitra anaty trano ity koa, hoy izy, izay hoe «Miss et mister» izay ary hitsaràna ihany koa ny fahatokisan-tena sy fahaiza-mamindran’ireo tanora mba ho vanona. Eo koa ny resaka fahalalana ankapobeny. Mahavariana amin’izao fotoana izao ny mahita ireo tanora, mpanakanto sy olo-malaza malagasy mihitsy ny sasany, izay tsy menatra intsony mampiseho mamoafady sy tokony hahamenatra eny amin’ny tambazotran-tserasera eny. Tongom-bakivaky sady marary no mahamenatra ilay izy ary voakasika manokana anatiny ny mpanakanto malagasy. Tsy vitan’izay fa tanora malagasy. Tena mampalahelo ilay izy. Ny mampametra-panontaniana etsy ankilany koa nefa dia hoe hatraiza ny tena fahamarinan’izy ireny amin’izao tekinolojia miroborobo be noho ny fisian’ny hoe Ilontsaina artifisialy na IA izao? Tsara ny hanaovana itony «Miss et mister» itony noho izy hoe tsy resaka hatsaràna ivelany fotsiny fa misy fampianarana sy fitaizana ary fahamendrehana katsahina ihany koa ao ambadik’izay. Ny filolohavana an’iny satroboninahitra azo amin’ilay fifaninanana iny na ho an’ny lehilahy io na vehivavy dia mitaky izay fahamendrehana izay ihany koa na efa tsy mifaninana intsony aza, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT