kolontsaina

Fanovana atao eny amin’ny Rova “Izay nanota fady teo niongana avokoa…”


  • Alarobia 28 Septambra 2022

Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera omaly ny sary maneho ny fikitihana sy fanamboarana indray eny Anatirova. Ny tranovola no amboarina,

natsangana amin’ny alalan’ny fampiasana “béton” sy “parpin”, izay niteraka ady hevitra. Nilaza kosa ny Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara, Dr Ndriana Rabariolina fa mitohy ny tsy fanajana ny fomba sy ny fenitra, tsy nisy fiherana sy fifampiresahana. Naneho fa ny Rovan’Antananarivo dia toerana masina sy vakoka manan-tantara nandritra ny taon-jato maro. Tokony hajaina araka izany ny hasina sy ny fomba nanarenana azy tahaka ny fahiny, ny fomba amam-panao ary ny fady, izay mariky ny maha-izy azy ny firenena, ka tokony hatao amin'ny endriny taloha izay nanaovan' ireo mpanjaka azy fa tsy hovaina na hampiana na hanalàna. Raha tranohazo ny tranovola dia tokony haverina tranohazo, tsy tokony hasiana “parpin” sy “béton”, hoy ny Dr Ndriana Rabarioelina. Ny fanarenana ny Rova dia tokony manaja ny hasina, ny fomba amam-panao, ny soatoavina Malagasy, indrindra fa ny soatoavina Andriana misy, hoy ahatrany izy. Nahitsy izy naneho fa ny tsy fanajana ny hasina sy ny fomba fanarenana ary ny fady ao amin' ny Rova Antananarivo dia miteraka loza ho an' izay manota fady, hoy hatrany izy. “Izay manota fady dia tsy maintsy hiharan’ny loza. Raha tsy fahalalana na tsy fanahy iniana dia manao antso avo izahay, hovay ny famindra. Izay nanota fady teo hitanay, dia niongana avokoa”, hoy ity Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara ity. Manao antso ny Fiombonambe, ny fianakaviam-ben’ny Andriana merina izy noho izany satria tsy nahazo fankatoavana avy amin’izy ireo ny fikitihana. Manao antso avo ho an’ny merina enin-toko, ho an’ny vahoaka Malagasy na ny eto an-toerana na any ampitan-dranomasina. Manan-kanja ny vakoka eny amin’ny Rovan’Antananarivo, ary ny firenena Mikambana dia sarotiny amin’ny fikajiana ny vakoka manan-tantara tahaka ireny, ka tsy tokony hovaina araka ny fitondrana misy, hoy hatrany io taranaka Mpanjaka io.


Notsipihiny fa ny “Colisée Romanina” sy izay zavatra natsangana taty aoriana ka tsy mifanaraka amin’ny vakoka nataon’ireo mpanjaka teo aloha dia tsy maintsy harodana sy haverina amin’ny nananganan’ireo mpanjaka azy teo aloha. Roa taona aty aorian’ny fahavitany, tsy mbola notokanana io “colisée” io, ary ny 6 novambra 2021 nitokanana ny fahavitan’ny fanamboarana ny Rova, nisy ampanjaka avy any amin’ny faritra ka asa na fifandriafian-javatra ihany na ahoana?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT