FANOMEZANA FETIN'NY RAY

Ny tee-shirt misy soratra no tena be mpividy


  • Alatsinainy 16 Jona 2025

Nankalazaina omaly Alahady 15 Jona ny fetin'ny Ray tamin'ity taona 2025 ity.

Hita ho samy niezaka namalifaly ny Rainy ny isan-tokantrano ho an'ireo izay mbola manana na dia eo aza ny hasarotan'ny fiainana. Nifanitsa-kitro ny mpiantsena teny Analakely ny Sabotsy maraina teo nividy fanomezana ho an'i Dada. Na izany aza tsy nisy ireo nanana teti-bola.manokana. Saika nanodidina ny 5.000 Ar ka hatramin'ny 20.000 Ar no nomanin'ny tsirairay. Ny fehin-kibo, ny famantaranandro, ny akanjo mafana, ny tee-shirt misy soratra no tena be mpividy indrindra, raha araka ny fanadihadiana natao. Nambaran'ireo mpivarotra moa fa tsy tena nitovy tamin'ny nankalazana ny fetin'ny Reny no nanamarihan'ny isan-tokantrano ny fetin'ny Ray tamin'ity taona ity. Nihena ho an-tsasa-manila mantsy ny entana lafo no sady tamin'ilay moramora avokoa.
Pati
Légende : Nifanombahana ny tee-shirt misy soratra manokana teny an-tsena teny ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT