Fanomezam-boninahitra an’i Ninie Donia

Sakanan’ny Prefektiora ny fiaraha-manatitra voninkazo


  • Alarobia 22 Novambra 2023

Hanao fotoam-bavaka etsy amin’ny FJKM Analakely ireo vehivavy mpitolona ny andron’ny anio

ho fanomezam-boninahitra an’i Ninie Donia, taorian’ny fangatahana fiarahana manatitra fehezam-boninkazo eny amin’ny tsangambaton’ny mahery fo etsy Ambohijatovo, izay tsy nomen’ny Prefektioran’Antananarivo alalana. Nisy ny fangatahana nataonay mba hanomezam-boninahitra an’i Ninie Donie, izay vehivavy mahery fo, nitolona ho an’ny firenena, saingy nolavina fa hoe : tsy azo atao ny mamorivory olona amin’izao andron’ny fifidianana izao, hoy ny fanazavan’i Arphine Rahelisoa, isan’ireo mpitarika. « Malahelo izahay satria fahoriana ity, tsy hoe fifaliana, tsy hoe hanao inona izahay fa hanatitra voninkazo ary akanjo fotsy no hanaovanay mba hanomezam-boninahitra azy satria tsy ho afaka makany Nosy Be Hell Ville. Tsy misy ny fahalalahana maneho hevitra, ary tsy fanehoan-kevitra akory aza fa miray hina amin’ny fahoriana dia fanateram-boninkazo dia sakanana », hoy hatrany i Arphine Rahelisoa. Naneho anefa izy ireo, fa efa tapaka ny hevitra, ka hisy ny fiaraha-mivavaka ary solontena no hanatitra ny voninkazo eny tsangam-baton’ny mahery fo aorian’ny fotoam-pivavahana. « Asehonay izao tontolo izao fa misy vehivavy mijoro, miara ory eo anatrehan’ny fisiana renim-pianankaviana maty tany am-pigadrana », hoy hatrany izy ireo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT