Fanomanana ny 40 taonan’ny tarika Tsiakoraka

Etsy amin’ny Pho resto Ivato indray no fotoana


  • Alakamisy 03 Oktobra 2024

Anatiny hatrany amin’ny fanomanana ny fankalazàna ny faha 40 taona amin’izao fotoana izao ny tarika Tsiakoraka.

Efa nanomboka, hoy i Fidy Raoelison, mpikambana ao amin’ny tarika, ny fiverenana an-tsehatra tamin’ny alalan’ny seho anaty trano na «cabaret» izay efa nisy maromaro teo nanomboka tany amin’ny volana may. Ny zoma izao (TTF: rahampitso) indray izany no fotoanantsika eny amin’ny Pho resto Ivato. Heritreretina ho raketina amina sehatra lehibe ny tena fankalazàna ny faha 40 taona. Alohan’ny Krismasy, raha sitrapon’ny Avo, amin’ity taona ity. Dia ao anatin’izany fanomanana izany sy ny fiverenana an-tsehatra indray izahay. Ny nahafantarana ny tarika Tsiakoraka hatramin’izay dia tsy niova na amin’ny resaka gadona na fampiaraham-peo fa tazomina foana ilay naha Tsiakoraka an’i Tsiakoraka. Gadona «country» ny ankabetsahany. Mbola voizina io fa misy zandry manampy tosika eo amin’ny lafiny «Sax» dia isan’ny zava-baovao angamba izay ho an’izay mbola tsy zatra nahita an’izay fa hita hoe mety ilay izy dia inoana fa mety amin’ny mpijery sy mpankafy. Be dia be ireo hira efa noforonina ary amin’ireo efa voaforona nefa dia mbola be dia be koa no mbola tsy henon’ny olona izay heverina hoe naman’ny vaovao ihany, ankoatran’ireo tena vaovao, hoy hatrany ny fanazavan’i Fidy Raoelison.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT