kolontsaina

Fanomanana fanadinana Mahomby kokoa ny fianarana amin’ny horonantsary


  • Sabotsy 04 Aogositra 2018

Amin’izao ankatoky ny fanadinana CEPE, BEPC, BACC izao dia manolotra an’ireto « Films Educatifs » na horonantsary fanabeazana hoenti-manampy ny mpianatra ny Lycée Privé Fitarikandro Andravoahangy, izay ahitana ny taranja tantara, jeografia sy SVT ho an’ny kilasy faha-7, faha-3 ary ny kilasy famaranana.

Ny sarimihetsika sy ny feo ary ny mozika  izay raiketiny dia mahaliana ny ankizy mpianatra ka manamora ny fitadidiany ny lesona,  ary tsapa izany tamin’ny fitsapam-pahaizana natao sy ny vokatra azo, hoy ny mpitantana. Efa ho 9 taona izao no nampiasana azy tamin’ireo sekoly maro manerana ny nosy ka nahitana fahombiazana, raha ny fanazavan’ny talen’ny sekoly Radonason Tsiry. Ireo sekoly, ray aman-dreny, mpianatra  nampiasa an’ireo fitaovana ireo dia samy afa-po tamin’ny vokatra. Ny mpampianatra ao amin’ny Lycée privé Fitarikandro no niara-nikaon-doha nanao fikarohana nanatsarana izany nandritra ny taona maro, ary efa naseho ny tompon’andraikitry ny minisiteran’ny fampianarana tamin’ny taona 2010. Atoa Radonason Tsiry kosa, izay talen’ny Lycée Privé Fitarikandro no tompon-kevitra sy nanatontosa izao fomba fianarana lesona vaovao izao.


Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT