kolontsaina

Fankalazana ny taom-baovao Malagasy Misy mandiso ny tantara, hoy ny Andriana Robert Randrianatoandro


  • Zoma 23 Febroary 2018

Fanimbana kolontsaina sy soatoavina no mety katsahin’ireo mpandiso tantara mikirakira tambazotra sosialy ankehitriny, hoy Robert Randrianantoandro mpitahiry izany hasim-piandrianana Malagasy, ka tokony hahitsy mba ho fantatry ny fara aman-dimby.

Anisany nitondrany fanazavana ny mahakasika ny fankalazana ny taombaovao iraisan’ny Malagasy  notanterahina tamin’ny septambra lasa teo. Fifandinihan’ny Andriana isam-paritra dia ireo tangalamena sy sojabe, ny lonaky sy ny mpitan-kazomanga manerana ny nosy sy foko tsirairay avy, am-polony taona no nisian’iny fihaonam-be teny Ambohimanga itoeran’ny “hasim-piandrianana” Malagasy iny. Ary ireo voatanisa ireo tsy ho afaka ampandrosoina velively amina trano na hotely lehibe fa tsy maintsy ny tranobe no mandray azy. Azo antoka noho izany fa tsy ho nandroso tao ireo vahiny raha nisy fiahiahiana ny hasin’izany toerana izany noho ny maha-zava-dehibe ny hasim-piandrianan’ny Gasy izay nodinihina tamin’izany.

Tsy nisy kosa fandikàna na fanotàm-pady ny fanatanterahana ny hetsika famaranana ny 22 septambra, hoy izy,  naraham-belirano sy nananganana vato masina ho fifaneken’ny rehetra ny fanatanterahana fa tsy nataotao foana.Voaporofo, hoy ny Andriana Robert Randrianantoandro, ny fizarazaràn’ny fokom-piandrianana sy ny fokom-pirazanan’ny Merina dia ireo mbola mandala ny fomba sy ny fady ara-drazana sy ireo nandray ny fomba sy ny finoana vahiny ary ireo sadasada sady milaza ho manandratra ny fomba sy fady maha-Gasy sady mampifangaro izany amin’ny fomba sy finoana vahiny. Anjaran’ny tsirairay, araka izany, no mandray ny tandrify azy.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT