Fankalazana ny taom-baovao malagasy

«Manana ahiahy ny fitondram-panjakana»


  • Alarobia 21 Febroary 2024

Tsy dia nisy hoe fifanarahana tamin’ilay resaka taom-baovao malagasy,

hoy ny raiamandreny ara-drazana, Josephin Andriandrainarivo, fa fametrahana fotsiny hoe aleo hajanona ilay adihevitra hoe iry izy, iry tsy izy. Samy izy ilay taom-vaovao fankalaza isaky ny fararano na isaky ny martsa sy aprily. Toy izany koa ilay isaky ny lohataona manomboka aogositra hatramin’ny oktobra. Septambra no ivon’io ary natao tsinam-bolana amin’iny septambra iny satria isika malagasy mpanao zavatra manaraka volana. Io izany no atao hoe taom-baovao lohataona ho an’ny malagasy. Ambaratonga maro tsinona no ho resahana hangatahana azy io ho andro tsy fiasana nefa andraisan-karama. Isany ny fitondram-panjakana izay ahitana minisitra maromaro. Ny fetim-pinoana jiosy maro aza ankalazaina eto, ny fety silamo miisa 2, samy tsy iasana fa andraisan-karama avokoa izany ka heverina fa rariny raha mba atao toy izany koa ireo miisa 2 antsika ireo. Raha azo ilazana izany rehetra izany hoe miravina ny disadisa dia miravina izany satria efa nifanaiky ny roa tonta fa tsy hifanenjika intsony. Ny taom-baovao isaky ny volana martsa dia vokatry ny fikarohana nataon’ny Dr Rakotonirainy Joseph. Io no nampita azy tao amin’ny Trano koltoraly dia ireo indray avy eo no nampita azy tamin’ny taranak’Ambohitrabiby. Hafa noho ilay Alahamadibe hamonjena doany sy ny tahaka izany io. Manana ahiahy ny fitondram-panjakana, indrindra, ny ao amin’ny minisiteran’ny kolontsaina hoe ireto mpandraharaha eto Madagasikara eto, toy ny mpampiasa amin’ny orinasa afakaba ireto ve hanaiky an’izany andro miisa 2 ho atao tsy fiasana izany? Dia miverina amin’ilay adihevitra momba ny fety Kristianina sy Silamo teo isika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT