kolontsaina

Fankalazana ny taom-baovao Malagasy Hiavaka ny fampirantiana, hoy ny mpikarakara


  • Alakamisy 04 Aprily 2019

Raha mahatsiaro tena fa Malagasy dia tongava manatrika ny taom-baovao Malagasy, hoy ireo mpikarakara ity hetsika nanomboka omaly izay hifarana ny sabotsy izao ity.

 

 Tsy sasatra izy ireo namerina indray tetsy Analakely fa ny volana martsa na aprily eo foana no tokony hankalazana ny taom-baovao Malagasy. Antony, tamin’ity dia ny zoma 5 aprily no tsinana ny volana ary ny sabotsy no miandoha ny fararano na ilay taom-baovao andro fidiovana. Toy ny mahazatra, misy ny hetsika maro efa natomboka tamin’ireo fampirantiana ny maha Malagasy sy ny fifandraisan’izany amin’ny an’ireo vahiny, izay nampiavaka ny hetsika sy nentina nanehoana ny tsy fiolonolonana, ary mitohy amin’ny fandrehetana ny afo tsy maty anio. Mizotra any amin’ny fitsofan-drano, ny harendrina, ny vary tondrahan-dronono sy tantely ka hatramin’ny fifampiarahabana ny hetsika.

J. Mirija

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT