kolontsaina

Fankalazana ny Halloween Handefa ny horonan-tsary HANTÉS ny Canal Plus


  • Zoma 30 Oktobra 2020

Hankalazaina ny sabotsy 31 oktobra ho avy izao ny fetin’ny halloween. Tsy ho diso anjara amin’ny fanamarihana izany ny Canal Plus Madagascar hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa.

 

 Hamoaka horonan-tsary mihetsika vaovao mifandraika amin’izany izy ireo. Ny 02 Novambra ho avy izao no handeha mivantana ao amin’ny Canal Plus izany, mitondra ny lohateny hoe : “Hantes”. Somary mampatahotra ity horonan-tsary mihetsika ity nefa mahafinaritra ihany koa. I Gareth Crocker no nanoratra namolavola azy, teratany Afrikanina tatsimo nahalafo boky an-tapitrisany maro maneran-tany. Midoika izany fa mankany amin’ny kalitao sy tsaratsara kokoa hatrany ny tolotra horonan-tsary omanin’ny Canal Plus ho an’ny mpanjifa rehetra. Tato anatin’ny 2 taona rahateo izay dia manomboka miara-miasa sy mamokatra ireo horonan-tsary Afrikana marika CANAL+ ORIGINAL toy ny ilay horonan-tsary mihetsika L’amour à 200 metres, Invisible….izy ireo izay ezahin’izy ireo hampitomboana hatrany ka hahazoana mamoaka horonan-tsary vaovao am-polony isan-taona. Ahitana fizarana valo moa ity horonan-tsary mihetsika Hantes ity samy haharitra 45 minitra. Efa nisy ny horonan-tsary mihetsika fanandraman-tsira nalefan’izy ireo ho an’ireo fizarana roa voalohany tetsy amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka nampahafantarana ny mpankafy ny tena fototr’ity horonan-tsary mihetsika ity. Isaky ny alatsinainy amin’ny 07 ora sy sasany kosa no handeha ao amin’ny Canal Plus izany hanasana ny mpanjifa rehetra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT