kolontsaina

Fankalazana ny « Fanjakana gasy » Vokatry ny mpitondra tsy mihaino, hoy ireo mpankato azy


  • Alarobia 03 Oktobra 2018

Hotanterahana ny 14 oktobra 2018 izao ao Fianarantsoa ny fankalazana ny fijoroan’ny antsoina hoe « Fanjakana gasy ».

 

 

 

 Araka ny fanazavan’ireo mpankato azy dia vokatry ny nataon’ireo mpitondra tsy nety nihaino ny vahoaka hatramin’izay no naha tapakevitra azy ireo hanangana fanjakana tena mifanaraka amin’ny soatoavina maha malagasy. Ny zava-nisy, hoy izy ireo, dia 106.356 no isan’ny mpifidy teto Analamanga ny taona 2013 ary 120.148 amin’izao. 199.944 ny tany Androy kanefa dia nitombo 313.079 be izao amin’izao fotoana. Efa niteny izahay fa tsy mety ny hanaovana fifidianana amin’izao zava-misy izao fa be no mampiahiahy ary mety hiteraka korontana. Voatery hanao izay saim-patany eto daholo isika rehefa tsy hifampihaino. “Tsy aleo ve mifampiera?” , hoy izy ireo. Miezaka mihaino ny mpitondra ny mpanohitra ary miezaka mihaino ny mpanohitra koa ny mpitondra no vahaolana, hoy hatrany ireo mpakato ity fivoriana hatao any Fianarantsoa ity. Lalàmpanorenana nolaniana tamin’ny karnem-pokontany foana ve no tadiavina hiainana eto ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT