Nihena hatrany amin’ny 10 % ny fanjifana ireo boky hamidy eny anivon’ny trano fivarotam-boky eto amintsika raha oharina tamin’ny taon-dasa.
Noho ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny no antony, hoy Andrianjaka John Razakasoa, talen’ny trano fivarotam-boky Librarie mixte. Amin’ny ankapobeny anefa dia tsy nahitana fiakarany firy ny vidim-boky fa mitovy amin’ny teo aloha ihany na dia efa niakatra be aza ny vidin’ny taratasy hanamboarana azy ireny. Manampy trotraka ny fisian’ireo mpivaro-boky hosoka manimba ny hasin’ny boky sady manapotika ireo mpanoratra ihany koa. Fantatra fa efa miara-miasa akaiky amin’ny brigade anti-piratage izy ireo hamongorana ireo olona mivelona amin’ny hosoka. Mikasika ny boky tonta manokana dia nomarihin’ny talen’ny trano fivarotam-boky librairie mixte fa olana maro no mety hahazo ireo olona mividy sy manjifa azy ireny. Anisan’izany ny tsy fahampian’ny pejy ao anatiny. Mety tsy hazava tsara ihany koa ny soratra sady mety ho lafobe ny vidiny satria lazain’ny mpivarotra fa tsy misy hatrany am-potony ankoatra ny mahamety ho boky halatra azy. Tsara hatrany raha boky vaovao no vidina ho an’ny ankizy, indrindra fa ho an’ireo mampiana-janaka eny anivon’ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.