Tsy te hahalala izay tantara sy fomban-drazana tany ny Fanjakana ankehitriny, fa ny azy no asisiny.
Toa notaina fady sy nozimbazimbaina ny eny Anatirova tamin’ny fametrahana ny kianja Masoandro na ny “Colisée” tandindon’ny fandatsahan-drà sy fanandevozana tany Italie fahiny. Vao ny faran’ny herinandro teo no nitaky ny hanatsaharana ny fanaovana azy io ny taranaky ny Andrianjaka, raha toa ka ny 06 novambra izao no re fa hitokanan’ny mpitondra izany. Tsy milamina mandrak’androany ny raharaha fizarana ny Faritra Vatovavy Fitovinany, indrindra fa ny mahakasika an’I Ikongo. Mitazona ny teny nomeny ny Ampanjaka amin’ny tokony haha ao anatin’ny Faritra Vatovavy noho ny fifamatorana ara-pomba sy ara-tantara amin’ireo distrika hafa, raha toa ka tsy mihemotra amin’ny heviny ny Mpitondra. Mipoitra tampoka ny andian’olona milaza fa mankasitraka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Filoha, raha hatrizay tsy re feo sy nangina tany amin’izay nisy azy.
Tsy mahafehy ny tantara sy lanjan’ny fomba
Mila manana ivim-pahalalana momba ny haiolona sy haivondronolona ny mpitondra (notion en anthropologie et ethnographie), fa tsy mijanonana amin’ny politika fotsiny, hoy ny olom-boafidy iray, izay toa lasa sokajian’ny mpitondra ho fahavalony. Toa tsy te hihaino, tsy mandalina, ary tsy mihemotra amin’ny mety ho fahadisoany satria mety raisiny ho fahareseny ara-politika ny fihemorana. Toa fafainy sa ravainy ny “système traditionnel et ancestral” na ny lamina sy rafitra nentim-paharazana nipetraka hatrizay. Tahaka ny lasa kilalaon-jaza izy ka fitondrana mandalo ao anatin’ny fe-potoam-piasana dimy taona ve no hanimbazimba sy hamotika na hamafa ny rafitra sy ny tantara nipetraka an-jato taonany? Mety hampirodana fitondrana ny fanotana fady eny Anatirova, hoy ny taranaky ny Andriamanjaka iray!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.