kolontsaina

“Fandroana 2021” teny Ambohimanga Nangataham-pitahiana hahazoana fahasalamana


  • Alatsinainy 12 Aprily 2021

Tontosa omaly 11 aprily teny amin'ny Vohitra Masina Ambohimanga ny "Fandroana"

 

 

 fanao isan-taona hatramin'ny faha Mpanjaka, mba ho fampanjariana ny hasim-piandrianan’ny tany, ny Fanjakana, ary ny Vahoaka. Atao isaky ny tsinambolan’ny Alahamady ny andro fandroana teto anivon’Imerina. Nisoronana omby volavita, hifampizarana nofon-kena mitam-piavanana ho an'ny Mpitondra, ka isan’ny nisongadina io fomba io omaly. Nifantoka tanteraka amin’ny famohazana sy fanetsehana ny ara-panahy entina hiarovana ny Gasy amin’ny fisian’ny valanaretina COVID-19 ny « Fandroana 2021», hoy ny eo anivon'ny Tranoben’Imerina. “Tsy vaovao amin’ny Malagasy, fa famerenana ny andro fandroana fanaon’ny fahagola, fanaon’ny Razan’ny Malagasy Fahizay. Tsy dia misy mahasamifaha azy amin’ny Fitampoha na tsangan-tsaina ainy avaratra na ny fandroan’andrika. Ny eto Imerina, dia ny fandroana no natao. Misy fiavahany kely ny fandroana sy ny taom-baovao Malagasy satria tamin’ny andron’ny mpanjaka taloha, dia tsy notenenina hoe taom-baovao, fa ny fandroana no nitondrana azy. Fangataham-pitahiana ho an’ny tanindrazana sy ny Malagasy rehetra mba hahazoan’ny rehetra fahasalamana eo anatrehan’ny covid-19. Ampandroana mihitsy ny zava-masina rehefa avy midio ny mpitondra sy ny mpitahiry azy”, hoy ny Andriana Robert Andrianantoandro.

“TSY TOKONY HAMPITSANGA-MENATRA NY FOMBA MALAGASY” Naneho kosa Atoa Jean Eric Rakotoarisoa, isan’ireo mandala ny fandroana, fa ny maha zava-dehibe ny famerenana ny fomba, dia fiverenana mihitsy amin’ny maha-malagasy antsika. Zavatra efa nisy taloha, ary ny fomba toy ny fandroana izay notanterahina, dia araky ny fanao tamin’Andrianampoinimerina, ary taty amin’ny Radama I ny farany. Nanomboka taty amin’ny Mpanjakavavy Ranavalona I, ka ny zava-dehibe dia haverina ny zava-panao taloha sy ny Malagasy antsika. Nofafana sy tsy navelan’ny mpanjanan-tany hatao ny fandroana, nofafana tao anatin’ny lohan’ny Malagasy ny fomba sy ny kolontsainy, noharatsiana foana hoe: fanompoan-tsampy, hafamerenana ny maha Malagasy ny hasin’ny firenena, ka tsy tokony hisanga-menatra eo anatrehan’izao tontolo fa manana ny maha izy antsika isika, ary tsy afaka mijoro amin’izay raha tsy haverina sy ezahintsika hajaina ny fomban-drazana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT