Fandravàna ny «Colisée»

ao Anatirova Andeha anio ny raharaham-pitsaràna


  • Alarobia 04 Febroary 2026

Anio alarobia 4 febroary 2026,

amin’ny 8 sasany maraina, efitrano faha 6 an’ny TPI na tribonaly misahana ady madio etsy Anosy, akaikin'ny «Maison des Avocats» izany no andeha ny raharaham-pitsaràna azon’ny rehetra atrehina,izany hoe, «audience publique» mikasika ny fitakiana ny fanalàna ny «Colisée» anatin’ny Rovan’Antananarivo, hoy ny fampitàm-baovao voaray avy amin’ny Fianakaviamben’ny andriana merina voaray omaly. Nanasa ny olompirenena rehetra hanatrika izany moa izy ireo. 5 taona mahery teo, fotoana izay nametrahana ity fotodrafitr’asa ity tanaty rova, izany izao no efa niteraka adihevitra be ny mikasika ny vola lany tamin’ny nametrahana ity toeram-pilanonana ity tanatin’io efa an-dalana ho vakoka iraisampirenena io. Manodidina ny 29,5 miliara iraimbilanja na 6 miliara Ariary latsaka kely teo ho eo izany no vola lanin’ny fanjakàna malagasy, izany hoe, volam-bahoaka, lany tamin’ny famitàna azy io, raha tsiahivina ny tombana mikasika izany voaray tamin’ny fotoan’andro. Ny resa-bola lany eo ihany fa ny resaka soa ho entiny ho an’ny firenena ihany koa, amin’ny maha vakoka ara-kolontsaina azo tsapain-tanana azy dia azo lazaina hoe tsy nisy, raha ny tombana ara-tsiantifika mikasika izany avy amin’ireo mpisehatra samihafa amin’io lafiny io toy ny mpahaigolantany, mpahaitantara, mpahaivakoka noresahina momba azy ity tamin’ireny fotoana ireny no tsiahivina. Nisy moa ny karazana komity siantifika natsangan’ny fitondràna nijoro tamin’ny fotoan’andro izay nampametra-panontaniana ireo siantifika hafa hoe tena izany anaran’olona rehetra izany tokoa ve no nanome rariny ny fampidirana kolontsaina grika na romanina, izay tsy nisy nifandraisany mihitsy tamin’ny tantaram-pirenena malagasy tao anatin’io vakoka tokony ho fidiram-bola amin’ny resaka fizahantany iraisampirenena io? Ny mpahaitantara, Hemerson Andrianetrazafy, moa dia nanasokajy ity fanapahan-kevitry ny fitondràna teo aloha ity ho fanolanana faobe ny tantara sy kolontsaim-pirenena tamin’izany fotoana izany ary raha ny teto Antananarivo manokana fotsiny no resahina dia efa isan’ny vakoka nokitihina sy lasa tsy nisy naha vakoka azy intsony hatramin’ny fotoanan’ny tetezamita 2009-2013 koa ny totohabaton’Ambondrona sy Antaninarenina. Ireo vakoka hafa maro tany amin’ny faritra, na rejionaly io na nasionaly, moa dia efa tsy lazaina intsony.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT