kolontsaina

Fandraharahana Ampirisihina hifaninana ny tanora


  • Alarobia 06 Septambra 2017

Toy ny fanaony isan-taona dia mikarakara fifaninanana ho an'ireo tanora mpandraharaha Malagasy indray ny banky BNI Madagascar (TJE 2017).

Omaly no nampahafantarana ny fisian'izany. Anisan'ny nampiavaka ity Trophée du jeune Entrepreneur ity izay efa manitsaka ny andiany faha-13 ankehitriny ny fahafahan'ireo tanora mpandraharaha rehetra latsaky ny 40 taona mandray anjara amin'izany. Nahena ho 60 tapitrisa Ar ihany koa raha kely ny petrabola ananan'izy ireny raha 100 tapitrisa Ar teo aloha no notakiana. Tanjona ny hanomezana tombony manokana ireo orinasa madinika sy salantsalany hahafahana mampiroborobo ny toekarem-pirenena. Ny 16 oktobra ho avy izao no hifarana ny fandraisana ny antontan-taratasin'ireo mpifaninana raha tamin'ny 16 aogositra lasa teo no efa nanomboka. Anisan'ny valisoa hatolotra izay mpandraharaha mendrika indrindra amin'ity taona 2017 ity moa ny fanohanan'ny banky BNI ny tetikasany ankoatra ireo tombontsoa maro isan-tsokajiny omen'ny banky azy. Atoa Andry Raveloson no mpandraharaha Malagasy mendrika indrindra tamin'ny taona 2016. Tsy hijanona ho an'Antananarivo irery ny hetsika fa afaka mandray anjara ihany koa ny any amin'ny faritra.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT