kolontsaina

Fanarenana ny Rova Nanazava ny efa natao i Mejamirado Razafimihary


  • Alatsinainy 25 Mey 2020

Olana miisa 4 no nisy tamin’ny nanarenana ny lapan’i Manjakamiadana, hoy ny filohan’ny komitim-pirenena misahana ny vakoka, Mejamirado Razafimihary.

cx

 

Teo ny olana ara- politika izay novahan’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, ny 90%ny. Teo koa ny olana ara-bola izay tonga amin’ilay hoe vola fitady ny herim-po fanary. Ny olana ara-tekinika dia niarahana niasa tamin’ny injeniera sy mpahay taotrano ka afaka sahanina tsara koa iny. Ny olana nanahirana dia ny ara-drazana satria ireo Andriana sy Mainty tompon’ny tantara aza adino fa nandray anjara be dia be tamin’io tantaran’ny rova io. Nisy ny fizahana ny toerana na “Etude du sol”, raha ny mikasika ny hanarenana ny lapa, hoy izy. Tapaka fa tsy azo atsangana fotsiny amin’izao fa tsy maintsy hamafisina. Niisa 25 ny foto-kazo maranitra na “pieux” napetraka ao ambany ao izay nahatratra 60 santimetatra ka hatramin’ny 1 metatra ny iray fa 23 metatra kosa no halalin’ny nanatsatohana azy. Ny maha sarotra ny asa amin’izao, hoy izy, dia efa any amin’ny 80%n’ny asa any ho any no fahavitany. Ny tafajanona sisa dia ny paika hametrahana ny fenitra maha mozea azy na “museographie”. Isan’izany ny fanaingoana anatiny. Ny mety hanahirana dia ny fitadiavana sy fikajiana ny karazan-kazo mifanaraka amin’ny tantara. Nandiso ny filazana moa ity tompon'andraikitra ity fa nikasa ny hipetraka tao ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana, tsy marina ary tena tsy mitombina izany,hoy izy. Tsy nisy na piesy iray azy aza, hoy izy, nafindra tao. Misy ambaratonga maro lalovina, hoy izy, na dia ny hametraka zavatra ao fotsiny aza.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT