kolontsaina

Fananganana tranom-pamokarana Tena mila vola be


  • Zoma 13 Aprily 2018

Miroborobo hatrany ny fananganana tranom-pamokarana eto amintsika. Misy hatrany ireo vaovao vao natsangana hampahafantarina ny sarababem-bahoaka.

Amin’ny ankapobeny anefa dia tena ilana volabe ny manao ireny  karazan’asa sahanin’ny tranom-pamokarana ireny, raha araka ny fanazavan-dRakotoson Tsarafara, omaly, fantatry ny maro amin’ny anarana Rajao. Ho an’ny fitaovana fotsiny mantsy raha araka ny fanazavany dia efa mahatratra hatrany amin’ny 20 tapitrisa Ar ny vola ilaina. Tsy hahavita zavatra mihitsy anefa hoy Rajao raha izany no andrasana ka ho azy ireo manokana dia ny manofa fitaovana no hitany fa tena vahaolana rehefa hanodina horonantsary raha efa azo hofaina ihany koa ankehitriny ny fitafiana…hoy hatrany ny fanazavany. Nampahafantarina tamim-pomba ofisialy omaly ny fisian’ny  tranom-pamokarana Tatatata izay hiandraiketany. Tanjony amin’izany ny hampiroboroboana ny sarimihetsika Malagasy ankoatra ny fampitana hafatra mivantana amin’ny vahoaka mikasika ny lesona sy ny fahendrena azo sintonina ao anatiny. Anisan’ny manohana akaiky ity tranom-pamokarana iray ity ny Airtel Madagascar ho fanampiana ireo tanora Malagasy manan-talenta, raha araka ny fanazavan’Atoa Julie Raharilalao, talen’ny varotra eo anivon’ity orinasam-pifandraisana iray. Tontosa omaly teny Andraharo ny sonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta, natrehin’ireo mpilalao sary mihetsika marobe.  Marihina moa fa efa namoaka horonan-tsary mihetsika  vaovao mitondra ny lohateny hoe : Melok’ialahy, ny tatatata production. Ao Mahajanga no hamoahana izany voalohany ny fiandohan’ny volana Mey ho avy izao, tantaram-pitiavana nampifanojo tovovavy zandary iray  sy tovolahy dahalo iray.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT