Mikasika ny ady hevitra miseho lany amin’ny fananganana ny “Colisée” eny amin’ny faritry ny Rovan’i Manjamiadana ataon’ny fitondram-panjakana ankehitriny dia nanambara mazava ny filohan’ny Tranoben’Imerina, ny Andriana Randrianatoandro Robert,
fa tsy misy zava-pantatry ny Tranoben’Imerina sy ny Vovonan’ny foko 22 eto Madagasikara izay samy tarihany ny amin’io resaka io ka tsy manakambara amin’izany mihitsy izy ireo. Tsy mba anisan’ireo nakan-kevitra sy nakana olona ho mpikambana ao amin’ilay komity teknika an’ny fananganana azy io mantsy na ny Tranoben’Imerina na ny Vovonan’ny foko ara-drazana 22 eto Madagasikara, hoy izy, ary tsy mba voaasa tamin’ny lanonana fiadiana fototra azy io koa. Marihana kosa anefa, hoy izy, fa anisan’ny manana anjara lova amin’io Rovan’I Manjakamiadana io izahay Merina satria an’ny Madagasikara manontolo io Rova io fa tsy an’ny Merina irery
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.