kolontsaina

Fananganan-tsaina Maro no tsy mivaky loha intsony


  • Alatsinainy 08 Jona 2020

Vanim-potoana miavaka ho an’ny firenena Malagasy ny volana jona hisian’ny fananganan-tsaina noho izy manamarika ny fetim-pirenena. Tsikaritra amin’izao fotoana izao fa maro ny trano sy tokantrano tsy marisika sy tsy mahatsapa tena.

 

 

 

Tsy vao izao io, fa tena mihavitsy isan-taona tato anatin’ny taona maro. Tsy ampy ny fanentanana, tsy ampy ny fahatsapan-tenan’ny olom-pirenena,… Zava-dehibe ny fahaleovantena, saingy mety mbola tsy feno io ho antsika Malagasy. Na izany aza tsy sakana amin’ny fananganana ilay fanevam-pirenena. Tsy tokony hidiran’ny politika io, izay isan’ireo zavatra iraisan’ny Malagasy tsy ankanavaka. Tsy mipaka any amin’ny Malagasy ilay fahatsapana ny fisiany na “sentiment d’appartenance” ka hananany fireharehana ny maha izy azy. Tamin’ny vanim-potoanan’ny CAN herintaona izay no nisiana firaisam-po goavana sy tena nampisongadina io sainam-pirenena sy io loko Fotsy mena, maitso, fa ankehitriny toa tsy misy intsony fientanam-po, tsy tsapan’ny Malagasy ny fisiany sy ny maha-izy azy. Tsy misy intsony ny firaisam-po satria mety tsy mahavita mametraka izany angamba ireo mpitarika sy mpitondra. Tsy tokony hiandrasana an’izay fa ny rehetra no mila tonga saina.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT