Sarotra ny mamerina sy mampanjaka ny maha-Malagasy eto amin’ny tany sy ny firenena.
Anisan’ny niaina izany Rafanomezantsoa Jean Nirina, tale jeneralin’ny Mpitsabo Malagasy FITRAMA izay nijoro vavolombelona fa tsy mora ny lalana nodiaviny. Amin’izao andron’ny fandrosoana izao hoy izy dia mbola marobe ihany ireo sakana toy ny resaka lalàna tsy dia manome vahana loatra ny vita Malagasy ka manamarina ilay fitenena manao hoe : vavalan’amboa ka ny gasy samy gasy ihany no mifanambany.Toraka izany koa hoy izy ireo manakana ny tsy hahafahana manome lanja ny resaka serasera antony mahatonga ireo manana fahalalana amin’ny fitsaboana Malagasy tsy afaka maneho ny fahaiza-manaony. Ho an’ny orinasa Mpitsabo Malagasy FITRAMA dia nomarihiny manokana fa vokatry ny antso avo nataon’ny filoham-pirenena no nanosika azy ireo hanampy ny mpiara-belona sy hanandratra ny vita Malagasy nefa mbola voarara ihany ireo mpitsabo ao aminy tsy hiakatra amin’ny haino aman-jery ho fanajana ny etika sy ny deontolojian’ny fitsaboana nentim-paharazana. Tokony amboarina araka izany io lalana io mba hitovizan’ny fifaninana hoy izy no sady tsy hampifanohitra ny tanjon’ny filoham-pirenena sy ilay lalana misy ihany koa. Ohatra noraisiny tamin’izany ny tambavy CVO sy ny pharmalagasy izay samy mivohy ny vita Malagasy avokoa.
Pati
Legende : Rafanomezantsoa Jean Nirina, tale jeneralin’ny FITRAMA
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.