Fanandratana ny kolontsaina

Miha manolo ny mofomamy ny koba


  • Zoma 07 Febroary 2025

Maro amin’ireo manori-tokantrano amin’ny alalan’ny fanambadiana ankehitriny

no manjifa koban-dravina hanoloana mofomamy hiaraha-mifaly anaty andro firavoaravoana toy ireny. Ireo manatontosa ny fanateram-bodiondry moa no tena hita ho miha roboka amin’izy io. Tsikaritra ho efa zary fanao mahazatran’ireo fikambanana samihafa, indrindra, fikambanana ara-kolontsaina koa nefa izany. Hita ho miha manolo ny mofomamy ny koba ary tena raisina ho isan’ny fanandratana ny kolontsaina malagasy mihitsy izany ankehitriny, raha ny eto amin’ny faritra Analamanga no resahina. Malaza ny koban-dravina eny Faravohitra fa mbola malaza lavitra ny koban’i Talatan’i Volonondry na koban’i Talata, hoy ny maro. Heverina, noho izany, fa niainga teto Imerina ny famokarana koba ary tena mirakitra kolontsaina merina ihany koa. Fangarona varim-bazaha na vary sy akondro ary voanjo, nototoina sy nandrahoina ary nofonosina ravin’akondro na ravin’ala mafana ihany koa, raha lazaina amin’ny fomba tsotsotra, izay no manome ny antsoina hoe koba. Ny halavany sy hamaminy dia matetika hifampirariana andro lava sy feno hamamiana eo amin’ny mpiara-belona sy ho an’ireo mpanambady. Azo ambara ihany koa hoe tso-drano ho faharetan’ny tokantrano, raha ny fanadihadiana natao hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT