kolontsaina

Fanamboarana ny tranombakoka Mahafaly 400 tapitrisa ariary no ilaina


  • Alakamisy 13 Aprily 2017

Efa tamin’ny taona 1999 no naorina tao Ampanihy Andrefana ny tranombakoka Mahafaly saingy io omaly io vao nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny tranombokim-pirenena etsy Ampefiloha ny fisiany.

 

 Anton’ny fampahafantarana, raha ny fanazavana, ny tsy fahafantaran’ny ankamaroan’ny olona ny maha zava-dehibe ny kolontsaina mahafaly. Ny taona 1995 dia nisy aloalo miisa 10 very teny amina fasana mpanjaka no nahatsapana fa maro no liana amin’io resaka aloalo io. Ho anisan’ny haranty manomboka anio araka izany, mandritry ny 3 andro, ny kolontsaina fonosin’izay resaka aloalo izay. 100 tapitrisa ariary no lany tamin’ny fanorenana ny tranombakoka Mahafaly tany am-panombohana fa raha ny tombantombana kosa dia manodidina ny 400 tapitrisa ariary no mahavita azy tanteraka amin’ny taona 2018. Manao antso avo amin’ny malala-tanana rehetra ny mpikarakara satria an’ny Malagasy rehetra ny tranombakoka.

Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT