kolontsaina

Fanajana fepetra Mbola voarara ny famadihana


  • Alatsinainy 14 Septambra 2020

Ao anatin`ny vanim-potoanan` ny famadihana izao isika eto Madagasikara. Sarobidy loatra ho an` ny Malgasy izay mbola mandalina izany noho izy fomban-drazana.

 

 

 Nanamafy kosa ny mpandrindra nasionalin` ny CCO Covid-19, Jeneraly Elack Andriankaja, fa tsy mbola azo atao ny fanatanterahana lanonam-pamadihana amin`izao hahamehana ara-pahasalamana izao. “Ny fepetra rehetra dia miroso amin` ny atao hoe « déconfinement progressif » izay tsy midika fa mivaha tanteraka. Raha azo leferina dia aleo ajanona. Matoa mbola tsy noresahin` ny filoha Rajoelina dia tsy mbola tsy azo atao ». Nambarany hatrany fa afaka atao no misafidy tetiandro ivelan` ny fahamehana ara-pahasalmana hanatanterahana famadihanana. Ho fitsinjovana ny fahasalaman` ny rehetra no antom-pisian` ny fandraràna.

 

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT