kolontsaina

Fanafoanana fampisehoana Kivy tanteraka i Samoela


  • Zoma 19 Martsa 2021

Ohatry ny sosoa voatapo-drano ny rehetra, ary tsy ny Be mozik fotsiny, fa ny tary izay nahasahy nikarakara rehetra.

 

 

Mila asiana zavatra ihany na inona na inona mitranga satria mampalahelo dia mampalahelo. Tampoka loatra, ary mino aho fa mahafantatra ny olona mpandray fanapahan-kevitra hoe tsy misy mpikarakara hirakaraka fety tampoka hoe iny fa hanao fety tampoka hoe iny fa hikarakara fety tampoka amin’ny alahady na amin’ny tapa-bolana, efa nisy telo volana farafahakeliny nanomanana ilay zavatra, hoy I Samoela. Tapa-bolana mialoha dia hoe foanana tampoka, dia tena tsy misy vahaolana ankoatra ny foanana ve? Tsy dia hoe handeha hanakiana ny fanapahan-kevitra, fa milaza fotsiny hoe marary ilay sehatra, hoy ity mpanakanto ity naneho ny alahelony. Nahitsy izy nilaza fa rehefa resaka politika, toa afaka mamorimory ihany, fa rehefa mozika tsy fantatra hoe ahoana. Izahay manokana, hoy izy, efa tamin’ny herintaona no hoe hanao ilay faha-25 taona, efa hoe hanao tao amin’ny ESCA dia najanona, herintaona aty aoriana isika izao dia mbola toy izay ihany. Izahay maniry hoe mila mitady vahaolana hafa satria tsy mino izahay hoe: ho foana vetivety io coronavirus. Vao mba mahazo aina kely ilay hoe fifandraisana amin’ny mpankafy, dia izao no mitranga.

HANDANIANA 20 HATRAMIN’NY 50 TAPITRISA AR

Hatrany amin’ny 60% amin’ny fitotonganana ara-bola na ny “chiffre d’affaire” ho an’ny Be Mozik. Tsy dia misy na inona na inona azo atao, ny asan’ny Be Mozik samihafa toy ny fikarakarana hetsika miaraka amin’ny “organismes internationales” aza tena mikatso. Henjana ny fikarakarana fampisehoana, 20 hatrany amin’ny 50 tapitrisa Ar no haompana amina fampisehoana iray izay alefa mialoha fa tsy tampotampoka, kanefa ho an’i Samoela izao, dia fety 6 eo nanomboka afak’omaly hariva, ilay Samoela ao amin’ny CC ESCA amin’ny 28 martsa, any Mantasoa miaraka amin’ny Tovo J’Hay amin’ny Alatsinain’ny Paska 5 aprily,… izay voatery ajanona. Miangavy ny Fanjakana hoe mitadiava vahaolana, fa tsy voatery hoe tsy maintsy hajanona, hoy ity mpanakanto ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT