kolontsaina

Fampivoarana ny kolontsaina Hanampy ny tanora Malagasy ny LCC


  • Talata 07 Martsa 2017

Hanampy ny tanora Malagasy amin’ny fifehezana sy ny fampivoarana ny kolontsaina misy ny Centre de langue et de la culture ( LCC) naorin-dRaoelijaona Bodo,


tovovavy mpianatra ho mpampianatra eo anivon’ny  Ecole Normale Superieure  etsy Ampefiloha. Tafiditra ao ireo kolontsaina misy any ivelany,  ny fiteny mampiavaka ny firenena tsirairay avy, izay fomba iray hahafahana  manampy ny tsirairay  ho tia karokaroka sy hahay hanaja ny fiarahamonina ihany koa, hoy hatrany izy izay tsy mivaona velively ao anatin’ilay teny filamatr’izy ireo manao hoe : « andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko ». Tsy mandoa vola fa maimaimpoana avokoa ny fanofanana ireo ankizy tanora mpikambana ao amin’ny LCC amin’ny ankapobeny. Nampiseho ny  fahaizany mifehy ny kolontsaina malagasy sy vahiny teo anatrehan’ny fianakaviany sy ny ray aman-dreniny izy ireo ny alahady teo, lanonana notanterahina teny amin’ny IKM Antsahavola. Tsiahivina fa mampianatra  mandamina voninkazo amin’ny fomba sinoa ihany koa ny LCC. Io ilay antsoina hoe : Ikebana. Toy izany koa ny Origami, kilalao sinoa izay tena manampy ny tsirairay hanaja fitsipi-pifehezana  sy ho tia karokaroka tokoa.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT