kolontsaina

Fampivelarana ny mahaolona sy toetsaina


  • Alatsinainy 05 Jona 2023

Tanora miisa 40 nisitraka fifampizarana tao Mahabo

Ny faran’ny herinandro teo no nifampizara tamin'ny tanoran'ny distrikan'i Mahabo i Durlin Retogniane, mpanabe sy mpitarika ny fikambanana Mitsangana Ry Tanora. Ity hetsika ity, hoy izy, dia tafiditra ao anatin'ny fifampizarana atao mitety faritra maro manerana ny nosy ka tsy very anjara amin'izany i Mahabo izay tanàna nisantarako ny fahazazako. Tanora miisa 40 teo no nisitraka izany fifampizarana izany nandritra ny ora 3 latsaka kely izay nitondrana lohahevitra mikasika ny fampivelarana ny mahaolona sy ny toetsaina entina mandraharaha. Izao hetsika izao no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasa amin'ny Fikambanana AJOM na «Association des Jeunes Originaires de Mahabo», izany hoe fikambanan’ireo tanora avy any Mahabo, tamin'ny alalan'ny filohany sy ny lefiny. Ny tanjona dia mba hanomezana tosika sy ho fampirisihana ireo tanora hiomana sahady amin'ny fiatrehana ireo olana eo amin'ny fiainana mba hanana toetsaina hamaha olana fa tsy hitady "excuses" na fialana foana. Ny teny filamatra nomena azy ireo dia ny hoe «Sahia miavaka!». Hisy arak'izany ny fiaraha-miasa eo amin'ny fikambanana AJOM sy ny fikambanana MRT na Mitsangana Ry Tanora, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT