kolontsaina

Fampisehoan’ny tarika MAGE 4 Feno ny lapa, nafana ny ambiansy


  • Alatsinainy 23 Aprily 2018

Fahombiazana tanteraka ny fampisehoana notanterahan’ny tarika Mage 4 tetsy amin’ny lapan’ny kolon-tsaina sy fanatanjahantena tetsy Mahamasina omaly alahady izay fanamariihana ny faha 25 taona nijoroany.

  Feno hipoka ny toerana ary maro ny tsy tafiditra satria tamin’ny 1ora sy sasany atoandro dia lany tanteraka ny tapakila fidirana. Nampanantena kosa anefa i Ken fa mbola hisy ny seho hiarahana amin’ny mpankafy indrindra ho an’ireo tsy tafiditra tao ivelany. Nolalaovin’ny tarika daholo ny hira nahafantarana azy ary nolaroin-dry zareo an’ireo hira vaovao izay nametrahany hatrany ny gadona mavesatra. Nampientam-po ary niavaka ny hira niarahana tamin’ireo feo lafika mpiangaly gospel indrindra tamin’ilay hira hoe “come back again”. Nolalaovin’ny feo mangan’i Ken miaraka amin’ireo mpitendriny matihanina ny vazo milay tahaka an’ny solemita, aza itserana, fefy tsilo,tsy sahy …Tsiahivina fa sambany niakatra tao amin’io lapan’ny kolon-tsaina io ny tarika kanefa nahavoafehy tanteraka ny sehatra sy ny seho manontolo.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT