kolontsaina

Fampisehoan’i Oboy Ora 1 sy sasany tao anaty ambiansy tanteraka


  • Alatsinainy 23 Mey 2022

Vita hatreo aloha ny fampisehoan’ilay mpiangaly Rap Frantsay Oboy, Mihaja Ramiarinarivo izay teratany Malagasy.

Ora iray sy sasany no nanaovany fampisehoana tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy Kolontsaina Mahamasina ny sabotsy hariva teo. Tapitra hain’ireo mpijery izay tanora ny ankamaroany ireo hira ary horakoraka sy hirahira hatramin’ny farany ny fampisehoana.Nanafana ny lanonana ireo artista avy eto an-toerana mandra-piandry ny fiakaran’i Oboy. Na dia teo aza ny fanenjehana sy fanakianana azy, indrindra tao anaty tambazotra facebook, dia nisaotra ny rehetra i Oboy sy ireo mpiara-miasa aminy : misaotra, Merci Madagascar, hoy izy nisalotra ny sainam-pirenena maitso, fotsy mena. Hita ho afa-po sy nianoka tanteraka tao anatin’ny kanto ankafiziny ireo mpijery, feno hipoka ny lapan’ny fanatanjahantena sy ny Kolontsaina ny sabotsy teo.Efa nametraka ny anarany eo amin’ny tantaran’ny Rap Frantsay i Oboy ,izay manana fomba fanoratra sy firesaka maneho ny resaky ny tanora eny amin’ny lalana ao Paris. Ilay rakin-kira mitondra ny lohateny hoe « Omega » (2019) no tena nampisongadina an’i Oboy ; ary mbola nisongadina ihany koa ilay rakin-kira « No Crari » nivoaka ny septambra 2021.Natolony manontolo ho fanampiana ireo ankizy sahirana miisa 270 eo anivon’ny ivon-toerana NRJ Andavamamba moa ny vola azony teto Madagasikara tamin’ny alalan’ilay hetsika izaralove.
Nangonin’i RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT